Nivoaka mpandresy teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja baolina kitra ho an’ny taom-pilalaovana 2020-2021 ny AS ADEMA.
Fifaninanana izay nahitana klioba 13 nandray anjara avy amin’ny lafy valon’ny Nosy.
Notanterahina androany 08 jolay 2021 tao amin’ny NOVOTEL Ivandry ny fanolorana ny amboara sy fiarahabana azy ireo .
Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY izay nisolontena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Niarahaba sy nankasitraka ireo mpilalao sy ireo tompon’andraikitry ny AS ADEMA izy tamin’ny ezaka mafy izay nataon’izy ireo nibatana ny fandresena.
Notsindriny manokana ihany koa fa manohana akaiky ny Fanatajahantena ny fitondram-panjakana ao anatin’ny Velirano faha-13 napetrakin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ary manaramaso akaiky sy miditra an-tsehatra amin’ny fanatanterahana izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Notolorany fisaorana ny CFEM sy ireo mpiara-miomban’antoka rehetra tamin’ny nahatontosana hatramin’ny farany ity fifaninanana ity na teo aza ny fihanakin’ny valan’aretina Covid19 izay niteraka sakatsakana isan-karazany.
« Ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia mankahery sy mirary soa hatrany ny mpikarakara fanatanjahantena eto Madagasikara ary vonona amin’ny fiaraha-miasa sy ny fifanomezan-tanana » hoy ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena ary zava-dehibe ny fikarakarana ny klioba satria miainga avy any am-potony ny fampandrosoana ary raha tsiahivina dia anisany mandrafitra ny ekipam-pirenena BAREA ny mpilalao maro ao anatin’ny Pro League.
ORANGE PRO LEAGUE MADAGASCAR: REMISE DES MÉDAILLES ET TROPHÉE
Avec la participation de 13 équipes issues de la grande île, l’As Adema a remporté le titre du championnat de Madagascar de football, année 2020-2021. La cérémonie officielle de remise de trophées a eu lieu le 08 juillet 2021 au Novotel Ivandry.
Madame Rosa RAKOTOZAFY, Directeur Général des Sports représentant Le Ministre de la Jeunesse et des Sports, a honoré par sa présence la cérémonie. Elle a félicité et remercié les joueurs ainsi que les dirigeants de l’As Adema pour tous leurs efforts et aboutir à ce bon résultat. Elle a aussi souligné que selon le « Velirano n° 13 » du Président de la République Andry RAJOELINA, le Gouvernement soutient de près le Sport, le Ministre de la Jeunesse et des Sports est chargé de suivre et d’intervenir, s’il le faut, dans la réalisation des activités sportives. Elle a également remercié le CFEM et tous les partenaires pour la réussite de la compétition, même dans cette pandémie de Covid-19 qui a créé beaucoup d’impondérables.
Le Directeur Général des Sports a remercié et encouragé les organisateurs des événements sportifs à Madagascar et a ajouté que le Ministère de la Jeunesse et des Sports est prêt pour tout entraide et collaboration; elle a terminé qu’il faut accorder plus d’attention aux clubs car les bons résultats proviennent d’une bonne préparation à la base, sans oublier que la majorité des joueurs de BAREA est issue du Pro League.