MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

ZAIKABE REZIONALY NY TANORA 2021.

Tanterahina nanomboka ny 13 Jolay 2021 hatramin’ny faha 16 Jolay 2021 ao amin’ny Centre Valbio Ranomafana ny Zaikabe Rezionaly fahatelo ho an’ny Tanora izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa SPICES, iarahan’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena miasa amin’ny CRS Madagasikara sy ny Diosezy Katolika.

Lohahevitra nosafidiana mandritra ity zaikabe ity ny hoe  » Izaho Tanora Mitondra Fiovana » .

Tonga nanotrona izany ny Tale Jeneraly misahana ny tanora ao amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ramatoa Juliana RATOVOSON ka nitondra fampianarana ho an’ireo tanora mba hananan’izy ireo fijery miabo sy fahasahiana ary paikady handresena ny sakana hanatratrarana ny tanjona napetraka.

Miisa hatrany amin’ny 78 ireo tanora mandray anjara amin’izany avy amin’ny faritra maro samihafa.

Ity zaikabe ity dia miompana amin’ny fandraisana andraikitry ny tanora, ny fahaiza-mitarika na « leadership », ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana ary ny fampananan’asa ny tanora. Hita niavaka nandritra izany koa ny fikarohana, ny fifampizarana traikefa sy ny fampiharana mba ahafahan’ny tanora mitondra fiovana eo amin’ny fiaraha-monina misy azy.

SOMMET REGIONAL DES JEUNES 2021.

 Dans le cadre du programme SPICES, collaboration entre le Ministère de la Jeunesse et des Sports, le CRS Madagascar et la Diocèse Catholique, le 3e Sommet des Jeunes se déroule du 13 au 16 juillet 2021 au Centre Valbio Ranomafana. Cette édition a pour thème « IZAHO TANORA MITONDRA FIOVANA » Madame Julia RATOVOSON, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de la Jeunesse et des Sports, participe aussi à ce Sommet en apportant aux jeunes quelques conseils comme l’adoption d’une vision positive, le courage et la stratégie pour surpasser les obstacles afin d’atteindre les objectifs fixés. 78 jeunes issus de différentes Régions participent à ce Sommet. C’est un Sommet qui s’oriente sur la prise de responsabilité des jeunes, le leadership, le développement entreprenarial ainsi que la création de travail pour les jeunes qui a mis aussi en exergue la recherche, le partage d’expériences et les bonnes pratiques. Tout ceci a été fait pour que les jeunes puissent apporter plus tard de réel amélioration dans leur localité respective.

Autre Articles

KIANJA BAREA MAHAMASINA

KIANJA BAREA MAHAMASINA

Antsika Malagasy rehetra manerana an'i Madagasikara ny Kianja BAREA. Tokony ho saro-piaro isika amin’ny fitandroana ity fotodrafitrasa lehibe ity, satria sady fananana iombonana ny Kianja BAREA no sady fananam-pirenena. Io no kianja hiarovana ny voninahi-pirenena,...

FAHATONGAVAN’I SAMUEL ETO’O ETO MADAGASIKARA

FAHATONGAVAN’I SAMUEL ETO’O ETO MADAGASIKARA

Anio 01 septambra 2021 no  nigadona eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ilay kitan'ny Baolina kitra kameroniana fanta-daza maneran-tany tao amin'ny klioba FC Barcelone sy Lions Indomptables  Samuel Eto'o izay ny Filoham-pirenena no nanasa manokana azy ho...

FITOKANANA NY I-TAFA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY.

FITOKANANA NY I-TAFA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY.

Anio 31 Aogositra 2021 no notokanana tamin'ny fomba ofisialy ny ivon-toerana I-TAFA etsy Ambohijatovo ambony. Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora eo anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ramatoa Juliana RATOVOSON....

KIANJA BAREA : NAHAZO FAHAFAHANA MAMPIDITRA MPIJERY

KIANJA BAREA : NAHAZO FAHAFAHANA MAMPIDITRA MPIJERY

Taorian'ny fitsidihana sy fijerena nataon'ny teknisianina avy ao amin'ny Kaofederasiona Afrikanina ny baolina kitra (CAF) dia nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MAMOD’ALI Hawel. Nambarany tamin'izany fa nahazo...