MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

ALAKAMISY AMBOSITRA: FITSIDIHANA NY TRANOBEN’NY TANORA.

Nanatanteraka fitsidihana ny Tranoben’ny Tanora tao Alakamisy Ambositra ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Ramatoa Juliana RATOVOSON anio 17 Jolay 2021 ,nandritra izany dia nisy ny fampafantarana ny programanasa U-REPORT MADAGASIKARA ary nametrahana ny Komity hitantana izany ho an’i Faritra Amoron’i Mania.

Nanome voninahitra izany ny Goverinoran’ny Faritra Amoron’i Mania Ramatoa MAMIARISOA Aline izay notronin’ireo talem-paritra isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra.

Tao aorian’izay dia nisy ny fijerena ireo tolotra rehetra ho an’ny tanora tao amin’ity tranoben’ny tanora ity ka teo no nanambaran’ny Governora fa hanohana ny tanora eto Amoron’i Mania ny Faritra ary hiantoka ny fandokoana manontolo ny Tranoben’ny Tanora .

VISITE DE LA MAISON DES JEUNES A ALAKAMISY AMBOSITRA

Madame Juliana RATOVOSON, Directeur Général de la Jeunesse auprès du Ministère de la Jeunesse et des Sports, a rendu visite à la Maison des Jeunes d’Alakamisy à Ambositra ce 17 juillet 2021.

Cette visite a permis le partage du programme U-REPORT MADAGASIKARA et la mise en place des membres de bureau qui vont le diriger dans la Région d’Amoron’i Mania.

Madame MAMIARISOA Aline, Gouverneur d’Amoron’i Mania, a honoré de sa présence cette visite, elle a été accompagnée par les différents Directeurs régionaux de la Région. Puis l’assistance passe à la revue de toutes les offres existantes, relatives aux jeunes dans cette Maison des jeunes, et c’est là que Madame le Gouverneur a annoncé que La Région va soutenir les jeunes d’Amoron’i Mania et prendra en charge la repeinte intégrale de la Maison des Jeunes.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...