MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

JIJ 2021: FANKALAZANA MANETRIKETRIKA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

Isan-taona dia mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora i Madagasikara isaky ny 12 Aogositra.

Amin’ity taona ity dia tao amin’ny Institut National de la Jeunesse, Carion, no nanaovana ny fankalazana nasionaly.

Niantomboka tamin’ny diaben’ny tanora nampitondraina ny lohateny hoe : « Sakafo Maroloko » ny hetsika.

Taorian’izay dia nisy ny fifandimbiasam-pitenenana izay nandraisan’ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Ramatoa Juliana RATOVOSON anjara, nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto.

Nentiny nanombohana ny lahateniny ny fiarahabana ireo tanora Malagasy tsy ankanavaka amin’izao nahatratra izao andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora izao. Ny Tanora hoy izy no ivony ary isany tena mpandray anjara fototra mampandroso ny firenena. Ka mba hahatanteraka ny velirano faha 9 dia mila miditra an-tsehatra izy ireo, indrindra eo amin’ny fanomezan-danja ny vokatra ara-tsakafo misy eto Madagasikara. Noho izany indrindra no antony ny lohahevitry ny fankalazana hoe: « Tanora mahay mandrindra ny ara-tsakafo, miantoka ny fahasalaman’ny mponina sy ny firenena ». Tanjona voalohany, hoy izy, amin’ny fampandrosoana lovain-jafy ny hanafoana ny fahantrana ny taona 2030. Ary mba hananana mponina salama dia zava-dehibe ny tokony hahaizan’ny tanora mandrindra ny ara-tsakafo. Teo am-pamaranana dia tsy adinon-dRamatoa Tale Jeneraly misahana ny Tanora ny nisaotra ireo mpiara-miombon’antoka, sy ny mpiara-miasa rehetra, izay nitoto nahafotsy nahandro nahamasaka ka nahatontosan’izao fankalazana ny andron’ny tanora izao izay tena niavaka.

Taorian’izay dia nisy ihany koa ny fitsidihana ireo trano heva nomanina ho an’izany.

Vita izay dia niroso tamin’ny kaoferansa mitondra ny loha-hevitra telo (3) lehibe:

– « Transformer les systèmes alimentaires : l’innovation des jeunes pour la santé humaine et planétaire »

– « Engagement des adolescents et des jeunes »

– « Une bonne nutrition, garant d’une génération saine ».

Anisan’ny nanamarika ity fankalazana ity ireo hetsika ara-kolontsaina izay nataon’ny tanora toy ny dihy ,ny hatsikana sy ny maro hafa.

Nofaranana tamin’ny fizarana mari-pahakasitrahana ny lanonana. Ary tsy adinon’ny Ministera tamin’izany koa ireo mpiara-miombon’antoka niavaka toa ny UNFPA, UNICEF, PNUD, CRS, OIF.

CELEBRATION DE LA JOURNEE INTERNATIONALE DE LA JEUNESSE 2021

Chaque année, le 12 août, Madagascar célèbre la Journée internationale de la jeunesse. Pour cette année, la célébration nationale a eu lieu à l’Institut national de la jeunesse, Carion.

L’événement a commencé par un carnaval coloré sur le thème « Aliments coloré ». Puis une série de discours auquel a pris part le Directeur Général de la Jeunesse au Ministère de la Jeunesse et des Sports, Madame Juliana RATOVOSON, représentante du Ministre TINOKA Roberto a eu lieu. En effet durant son discours, elle a tenu à féliciter tous les jeunes malagasy à l’occasion de cette journée spéciale qui leur est dédiée. La jeunesse, a-t-elle dit, est le principal acteur pour le développement du pays. Ainsi, pour remplir le « velirano9 », ils doivent s’impliquer, notamment dans la promotion de la production alimentaire à Madagascar. C’est pourquoi le thème de la célébration est : « Transformer les systèmes alimentaires: l’innovation des jeunes pour la santé humaine et planétaire ». Eradiquer la pauvreté d’ici 2030 figure parmi les objectifs principales dans la course au développement. Et pour avoir une population en bonne santé, il est important que les jeunes sachent gérer la nourriture.

Par la suite, trois conférences ont été organisées sous les thèmes :

 – « Transformer les systèmes alimentaires : l’innovation des jeunes pour la santé humaine et planétaire »

– « Engagement des adolescents et des jeunes »

– « Une bonne nutrition, garant d’une génération saine ».

Parmi les moments forts de la célébration figuraient les événements culturels interprétés par les jeunes tels que les danses, les comédies et bien d’autres. La cérémonie s’est clôturée par la remise des prix. Le Ministère n’a pas manqué de remercier ses partenaires tels que l’UNFPA, l’UNICEF, le PNUD, le CRS et l’OIF pour la réussite de cet évènement.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...