MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIFAMINDRAM-PAHEFANA TEO AMIN’IREO MINISITRA VOATENDRY VAOVAO SY NY TEO ALOHA.

Tanteraka ny hariva teo ny fifanaovan-tsonia ny amin’ny fifandimbiasam-pitantanana teo amin’Andriamatoa TINOKA Roberto Minisitra teo aloha sy Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena vaovao, ary Ramatoa Juliana RATOVOSON Minisitra lefitra misahana ny Tanora.

Anisan’ny nanotrona izao fotoana izao ireo loholona solontena avy eo anivon’ny Antenimierampirenena, ireo solombavam-bahoaka, ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miasa eto anivon’ny Ministera ary ireo avy amin’ny ratsa-mangaika samy hafa.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana dia samy naneho fisaorana ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA sy ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta Andriamatoa NTSAY Christian ireo Minisitra telo noho ny fahatokisany sy nanomezany andraikitra eto amin’ny firenena.

Tamin’ny lahateny nataony dia nanambara ny Minisitra TINOKA Roberto fa maro ny zava-bita noho ny fanomezan-danja ny Fanatanjahantena izay isaorana ny Filoha. Nisaorany ny mpiara-miasa teto amin’ny Minisitera noho ny fifampitondrana izay tena tahaka ny Ray aman-dReny sy ny zanaka. Nanambara ny Minisitra fa tsy ho mena-mitaha amin’ireo firenena hafa eto Afrika isika noho ireo fotodrafitr’asa maro dia maro efa vita sy andalam-pahavitana. Teo am-pamaranana dia nitsodrano ireo Minisitra mianadahy izy.

Taorian’izay dia nandray fitenenana ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora Juliana RATOVOSON, ary nilaza fa manome toky ireo tanora malagasy fa tena hiasa ary hifofotra ho an’izy ireo. Nisaotra ny Minisitra TINOKA Roberto ihany koa izy noho ny fahatokisany ka nanomezany andraikitra nahafahany nampitombo traikefa amin’ny fampiroboroboana ny Tanora.

Namarana ny fandraisam-pitenenana ny Minisitra MAMOD’ALI Hawel, ka nambarany fa efa ao anatin’ny asa fampandrosoana tanteraka ny Ministera ankehitriny ary fanambiny ny hitazona izany hafainganam-pandeha izany.

PASSATION DE SERVICE ENTRE L’ANCIEN MINISTRE ET LES MINISTRES NOUVELLEMENT NOMMÉS.

La signature de la passation entre l’ancien Ministre TINOKA Roberto et le nouveau Ministre de la Jeunesse et des Sports, Monsieur MAMOD’ALI Hawel, et la nouvelle Vice-ministre en charge de la Jeunesse, Madame Juliana RATOVOSON s’est tenue aujourd’hui 17 Août 2021.

De nombreuses hautes personnalités ont honorés ladite passation ; des sénateurs, des députés et les collaborateurs aux seins du Ministère ont été présents.

Durant leurs allocutions, les trois ministres ont remercié le Président Andry RAJOELINA et le Premier Ministre NTSAY Christian pour leur confiance.

Dans son discours, l’ancien Ministre TINOKA Roberto a affirmé que de nombreuse infrastructures on été réalisé dans le but de rehausser le sport à Madagascar. Il a mentionné que par la présence de ces différentes infrastructures sportives, Madagascar revient à la hauteur des grandes nations africaines en termes de sport. Il a tenu à remercier ses collaborateurs au sein du Ministère pour leurs dévouements. Après, il a souhaité plein de succès pour les deux nouveaux ministres.

Par la suite, la vice-ministre en charge de la Jeunesse, Madame Juliana RATOVOSON, durant son discours a déclaré qu’elle assurera la valorisation des jeunes Malagasy. Elle a également remercié l’ancien Ministre TINOKA Roberto pour sa confiance en la confiant un rôle si important qui lui a permis d’acquérir de nombreuse expériences dans le domaine de la jeunesse. Le Ministre MAMOD’ALI Hawel a terminé le série de discours en déclarant que le Ministère a atteint sa vitesse de croisière sur les travaux de développement de la jeunesse et des sports à Madagascar et que ce sera pour lui un défi de maintenir cette allure pour les prochaines années à venir.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...