MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

JIJ AVARADRANO: FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA.

Anio 20 Aogositra 2021 no nanatanterahina ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, tao amin’ny Kaomina Alasora.

Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ramatoa Juliana RATOVOSON, notronin’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila ao an-toerana, sy ireo mpiara-miombon’antoka misehatra ho an’ny tanora.

Nandritra ny hetsika dia nisy ny diaben’ny tanora ahitana ireo fikambanan’ny tanora sy klioba ara-panatanjahantena maro samihafa.

Nandritra ny lahateny nataony dia nilaza ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora fa manan-danja ny Tanora eo amin’ny fampandrosoana, ka izany indrindra no isaorany manokana ny Filoha Andry RAJOELINA sy ny Praiministra NTSAY Christian izay manome sehatra ny tanora izao.

« Fifaliana lehibe ho antsika Tanora izany satria ela ny ela hisongadina amin’izay ny Tanora. Ka manomboka izao dia hifanome tanana isika tanora hanandratra avo an’i Madagasikara » hoy izy.

Nanohizany ny lahateniny dia nametraka fanamby izy amin’ny fampananan’asa ny Tanora : « Satria isika nomena sehatra dia hiaraka isika hiady ka raha tokony ho vesatra ho an’ny firenena ny Tanora dia ho avadikantsika ho angovo izany entina ho andry ho an’ny fampandrosoana. Ny tenako manokana, amin’ny maha Minisitra lefitra misahana ny tanora, dia vonona tanteraka hanandratra avo ny Tanora eto Madagasikara. Raiso ho tombony ho antsika ny fananana minisitra tanora. Tanora toa anareo ny tenako, mahafantatra ny olana mianjady amintsika tanora ary azo resahina ihany koa fa tsy sanatria hanidy varavarana ho an’ny tanora. »

Manana hafatra ho an’ny tanora manerana ny Nosy ihany koa Ramatoa Minisitra lefitra misahana ny tanora, izay nanambarany fa fandresena ho an’ny tanora izao sehatra omen’ny Filohan’ny Repoblika izao, koa manana fanamby ny tanora amin’ny fanatanterahana ny veliranon’ny Filoham-pirenena dia ny fampananan’asa ny Tanora araka ny velirano faha-6 ary ny fanandratana avo ny Tanora sy ny vehivavy araka ny velirano faha-8.

Namaranany ny teniny dia nisaotra ireo manam-pahefana ao an-toerana izy noho ny ezaka efa nataon’izy ireo sy izay mbola ho ataony ho fampandrosoana ny Tanora. Laharam-pahamehana hoy izy ny fanofanana sy fampananan’asa, ary ny fanohanana ny Tanora amin’ireo sehatra iasan’ny tanora rehatra. « Asehontsika fa mahavita ny tanora, asehontsika fa tsy diso ny fanapahan-kevitry ny Filoham-pirenena, ary asehontsika fa ny tanora tokoa no isany andry iankinan’ity Madagasikara ity mba hisian’izany fampandrosoana izany. »

Taorian’ny fandraisam-pitenenana, dia nitafatafa tamin’ireo filoham-pikambanana ny Minisitra lefitra ny tanora. Narahina fitsidihana trano heva izany, ary nofaranana tamin’ny dihy sy seho samihafa ny lanonana.

Autre Articles

AMBOHIDRATRIMO: FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

AMBOHIDRATRIMO: FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notokanana anio Alakamisy 10 Jona 2021, ny kianja manarapenitra tao AMBOHIDRATRIMO, faritra Analamanga. Mizotra mankany amin'ny fandrosoana tokoa ny firenena raha eo amin'ny lafiny fanatanjahantena no resahina satria dia kianja manarapenitra roa amin'ity kianja ity...

MAHITSY : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

MAHITSY : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Notanterahana anio 6 Jona 2021 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao tao Mahitsy izay ao anatin 'ny Distrika Ambohidratrimo. Tonga nitokana izany ny Filohan'ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA, notronin' ny Filohan'ny Antenimierandoholona, ny Minisitry ny...

GTCF: FANKALAZANA NY FAHA-20 TAONA

GTCF: FANKALAZANA NY FAHA-20 TAONA

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny CONFEJES ary ny delegen’ny GTCF eto Madagasikara dia nanatanteraka hetsika ho an'ny tanora sy fanatanjahantena ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-20 taona niorenan’ny GTCF (GROUPE DE TRAVAIL POUR LA PROMOTION...