MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

JEUX PARALYMPIQUES 2021: VALAN-DRESAKA HO AN’NY MPANAO GAZETY MIKASIKA NY FANDEHANAN’NY DELEGASIONA MALAGASY.

Noho ny resaka nandeha mikasika ny fandehanan’ny atleta manana fahasembanana hamonjy ny « jeux paralympiques » any Tokyo ny 24 Aogositra 2021 hatramin’ny 05 Septambra 2021 izao dia nisy ny valan-dresaka niaraka tamin’ireo mpanao gazety izay notanterahina tao biraon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tetsy Ambohijatovo anio Talata 24 Aogoditra 2021.

Nanambara ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, fa tsy manao ankilabao ny atleta manana fahasembanana velively ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Voalohany dia satria tsy olona vaovao eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena vaovao MAMOD’ALI Hawel ary tsy hanao zanak’ikala hafa ny mpisehatra indrindra ireo manana fahasembanana.

Anisany voaray tanteraka ao anatin’ny Velirano faha-13 ny handisport, izay anisany manana tombotsoa hampiasa ireo fotodrafitr’asa rehetra mikasika ny Fanatanjahantena.

Marihina fa noho ny fikorontanana eo anivon’ny sidina izay miovaova noho ny hamehana ara-pasahalamana sy ny resaka toerana eo amin’ny fiverenana tsy mbola azo no nahatonga ny fahataran’ny fandehanan’ireo delegasiona ireo izay tsy maintsy manana tapakila mandroso sy miverina.

Efa natolotra azy ireo mialoha ny fanamiana rehetra hoenti-miatrika izany lalao izany izay mbola manamafy hatrany ny fahavononan’ny Ministera amin’ny fikarakarana.

Tsara koa anefa ny mampahatsiahy fa amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany ny taranja dia manana anjara andraikitra lehibe koa ny Federasiona manoloana ny taranja izay eo ambany fitantanany.

Nisaotra ny Filoha Andry RAJOELINA sy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, MAMOD’ALI Hawel, ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena tamin’ny fikarakarana sy ny fitsinjovana ny mpanao Fanatanjahantena, indrindra ireto manana fahasembanana satria dia afaka ny hamonjy ny lalao any Tokyo izy ireo, ary hanainga androany hariva amin’ny 8 ora alina.

Nampita ny teny fialantsiny ny Filohan’ny Federasiona noho ny resaka izay niparitaka tamin’ny tambazotra sosialy izay tsy mendrika ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena noho ny fikarakarana efa nisy hatramin’ny voalohany sy hatramin’izay.

Autre Articles

TARANJA FIBATANA FONJAMBY

TARANJA FIBATANA FONJAMBY

Tonga soa amantsara eto an-tanindrazana anio 31 May 2021 ny atleta Malagasy nandeha niady izay ho Tompondakan'i Afrika amin'ny taranja Fibatana Fonjamby izay natao tany Nairobi, Kenya. Marihina fa Medaly volamena 08,volafotsy 01 ary alimo 3 no azon'ireto mahery fo...

TOLIARA: KIANJA MANARAPENITRA « MAITRE KIRA »

TOLIARA: KIANJA MANARAPENITRA « MAITRE KIRA »

Taorian'ny fitsidihina ny kianja mitafo  tao Toliara dia tonga nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra "Maitre Kira" ihany koa  ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Tinoka Roberto androany30 May 2021. Mandroso...

TOLIARA:  FANANGANANA KIANJA MITAFO  MANARAPENITRA

TOLIARA: FANANGANANA KIANJA MITAFO MANARAPENITRA

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny Kianja manarampenitra taoToliara ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena Andriamatoa TINOKA Robertoizay sady Minisitra Coach ao Toliara androany 30 May 2021. Notronin'ireo manam-pahefana isan-tsokajiny...

PBF: FIVORIAN’NY KOMITY MPITANTANA

PBF: FIVORIAN’NY KOMITY MPITANTANA

Tontosa androany ny fivoriana nataon'ny Komity mpitantana ny  PBF (Fonds pour la consolidation de la paix ) izay nanaovana tomban'ezaka ireo tetikasa tanterahina any amin'ny Faritra Atsimo. Ny Praiministra Ntsay Christian no nitarika ny fivoriana izay...