MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

MAROANTSETRA : FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

Notanterahina omaly 26 Aogositra 2021 ny fankalazana Rezionaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora ho an’ny Faritra Analanjirofo.

An-kafaliana sy an-karavoana tanteraka no nandraisan’ireo tanora ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora Ramatoa Juliana RATOVOSON tamin’ny fahatongavany tao an-toerana hanotrona izany. Anisan’ny tonga nanome voninahitra ity fankalazana ity ireo manam-pahefana isan-tsokajiny tao an-toerana.

Maro ny hetsika nentina nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny TANORA, anisan’izany ny sora-dia, ny rodoben’nyTanora izay niarahana nisalahy tamin’ny Fitaleovam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao Analanjirofo sy ireo fikambanan’ny tanora maro samihafa.

Nandritra ny fandraisam-pitenana nataon-dRamatoa Minisitra lefitra no nanambarany fa manana tombony ny tanora satria tanora ireo mpitondra, miainga amin’ny Filoham-pirenena izay mbola ao anatin’ny fahatanorana ary ny tenany izay reny mpiahy no sady zokin’ny tanora. Ny tanora mahafantatra ny olana atrehin’ny tanora, ny tanora samy tanora no mahay mifampiresaka ary izany no isany nahatongavany tany an-toerana.

Nanentana ireo tanora tao Analanjirofo ny tenany araka izany hifanome tanana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.Teo ihany koa ny famporisihana azy ireo amin’ny fandraharahana mba ahafahan’izy ireo hamorona asa.

Nandritra ny fotoana dia nihaona mivantana tamin’ireo Tanora izy ary nandritra izany no nanambarany ny fahavononany hanatanteraka ny veliranon’ny Filoha ka tsy hisy distrika ho adino. Ho fampivelarana sy fanampiana ireo tanora dia ho laharam-pahamehana ny famahana ny olana eo amin’ny tsy fananan’ireo tanora asa.

Taorian’izany dia nisy ny fijerena ifotony ireo fotodrafitr’asa ho an’ny Tanora teny an-toerana.

Autre Articles

TARANJA FIBATANA FONJAMBY

TARANJA FIBATANA FONJAMBY

Tonga soa amantsara eto an-tanindrazana anio 31 May 2021 ny atleta Malagasy nandeha niady izay ho Tompondakan'i Afrika amin'ny taranja Fibatana Fonjamby izay natao tany Nairobi, Kenya. Marihina fa Medaly volamena 08,volafotsy 01 ary alimo 3 no azon'ireto mahery fo...

TOLIARA: KIANJA MANARAPENITRA « MAITRE KIRA »

TOLIARA: KIANJA MANARAPENITRA « MAITRE KIRA »

Taorian'ny fitsidihina ny kianja mitafo  tao Toliara dia tonga nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra "Maitre Kira" ihany koa  ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Tinoka Roberto androany30 May 2021. Mandroso...

TOLIARA:  FANANGANANA KIANJA MITAFO  MANARAPENITRA

TOLIARA: FANANGANANA KIANJA MITAFO MANARAPENITRA

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny Kianja manarampenitra taoToliara ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena Andriamatoa TINOKA Robertoizay sady Minisitra Coach ao Toliara androany 30 May 2021. Notronin'ireo manam-pahefana isan-tsokajiny...

PBF: FIVORIAN’NY KOMITY MPITANTANA

PBF: FIVORIAN’NY KOMITY MPITANTANA

Tontosa androany ny fivoriana nataon'ny Komity mpitantana ny  PBF (Fonds pour la consolidation de la paix ) izay nanaovana tomban'ezaka ireo tetikasa tanterahina any amin'ny Faritra Atsimo. Ny Praiministra Ntsay Christian no nitarika ny fivoriana izay...