MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

KIANJA BAREA : NAHAZO FAHAFAHANA MAMPIDITRA MPIJERY

Taorian’ny fitsidihana sy fijerena nataon’ny teknisianina avy ao amin’ny Kaofederasiona Afrikanina ny baolina kitra (CAF) dia nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MAMOD’ALI Hawel.

Nambarany tamin’izany fa nahazo fankatoavana  tamin’ny kaofederasiona Afrikanina ny baolina kitra  (CAF) ny Kianja Barea  ka afaka handray ny lalao izay hihaonan’ ny Barea an’i Madagasikara sy Benin amin’ny Alakamisy 2 septambra 2021. Fihaonana izay nahazoana  alalana  hampiditra mpijery miisa 10000.

Araka ny programa dia hisy ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy mialoha ny lalao  ary hisy ny fandaminana manoloana izany .

Ny fitokanana ny kianja Barea kosa dia ho tanterahina ny Asabotsy 4 septambra 2021.

Misaotra ny filoham-pirenena noho ny  ezaka rehetra izay nataony tamin’ny fifampiraharahana tamin’ ny FIFA sy ny CAF.

Autre Articles

TOAMASINA: FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO AN-TOERANA

TOAMASINA: FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO AN-TOERANA

Nisy ny fampiofanana ireo tanora izay natao tao amin'ny Centre Regionale de la Jeunesse et des Sports (CRJS) Toamasina izay nifarana anio 27 Aogositra 2021. Nandritra ny fidinana ifotony izay notanterahin-dRamatoa Juliana RATOVOSON Minisitra lefitra,Anio zoma 27...

FIFANINANANA TSIPY KANETIBE « GRAND OPEN ANALAMANGA »

FIFANINANANA TSIPY KANETIBE « GRAND OPEN ANALAMANGA »

Taorian'ny fitokanana ny kianja manarapenitra filalaovana tsipy kanetibe " FITARATRA 2023", tao Tongarivo, kaomina Tanjombato, ny zoma lasa teo dia nisy avy hatrany ny fifaninanana "Festival de Pétanque Grand Open Analamanga". Niisa 252 ireo ekipa olona telo miaraka...