MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

VALAN-DRESAKA MAHAKASIKA NY FIFANINANANA ADY SISIKA HO AN’NY TANORA

Nanatanteraka valan-dresaka tao amin’ny Le Centell Hôtel & Spa omaly 10 Septambra 2021 ny Ministra lefitra misahana ny Tanora, Ramatoa Juliana RATOVOSON, mahakasika ny fifaninanana ady sisika na « concours de plaidoyer » ho an’ny fisitrahan’ny Tanora ny zony amin’ny fahasalamana, indrindra ny amin’ny fandrindram-piterahana.

Raki-tsary 3 minitra no hitondran’ny Tanora ny feony, manentana sy mamporisika ireo Tanora namany ny amin’ny fandrindram-piterahana.

Araho ao amin’ny pejy facebook « concours de plaidoyer FGE à Madagascar » ny andinindininy.

Autre Articles

U-REPORT MADAGASIKARA

U-REPORT MADAGASIKARA

Ry tanora 14-30 taona, efa azonao atao ny misoratra anarana ho "U-Reporter», sehatra iray ahafahan'ny tanora mitondra ny feony amin'ny lohahevitra maro mahakasika azy ireo. Alefaso SMS @ 301 ny "ureport" dia araho ny toromarika. Hafatra maimaimpoana amin'ny Tambazotra...

"Ny fahalanian'Atoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO ho filohan'ny federasiona afrikanina ny Judo dia tena zava-dehibe ho an'ny taranja Judo manokana ary voninahitra lehibe ho an'i Madagasikara. Ny tontolon'ny Fanatanjahantena amin'ny ankapobeny no miditra dingana vaovao...