Nanomboka anio 13 septembre 2021 ny atrikasa hamaritana ny paikady enti-mampiroborobo ny tanora eto Madagasikara izay niompana tamin’ny famolavolana ny tari-dalana hanatanterahana ny paikady nasionaly « FANOITRA » ho amin’ny fizakan-tena ny tanora sy ny fanatanterahana ny velirano ho fampandrosoana maharitra ho an’ny fiaraha-monina eny ifotony , izay tanterahina ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.
Nitarika ny fivoriana ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora, Ramatoa Juliana RATOVOSON, izay nitondra famelabelaran-kevitra mikasika ireo veliranon’ny filoham-pirenena mahakasika ny tanora.
Teo ihany koa ny fanazavana ireo vina sy atrikasa ho tanterahina miisa dimy mikasika ny « Velirano ny Tanora pour l’ Emergence à la base » izay nentin’ny Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Aharitra roa andro ity atrikasa ity ary mandray anjara amin’izany ireo fitaleavana rehetra misahana ny tanora.