MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY MASOIVOHOM-PIRENENA MISOLON-TENA MAHARITR’I MADAGASIKARA EO ANIVON’NY UNESCO AO PARIS.

Tonga nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy an’Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena anio 16 Septambra 2021 tao amin’ny biraony teto Ambohijatovo i Ramatoa Yvette SYLLA, Masoivohom-pirenena, misolontena  maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO any Paris.

Fihaonana nahafahan’ny roa tonta nifampiresaka ny hamerenana ny fiaraha-miasa eo amin’ny UNESCO sy ny Firenena Malagasy fa indrindra amin’ny alalan’ny  Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

« Betsaka ny zavatra nifampiresahana ary resy lahatra izahay fa tsy ho ela dia hiverina izany fiaraha-miasa izany » hoy Andriamatoa Minisitra.

« Hiaraha-mahalala fa ny  UNESCO dia sampana eo anivon’ny firenena mikambana izay misahana ny fanabeazana sy ny fampianarana, ka ny fanabeazana no  nifampiresahana tamin’Andriamatoa Minisitra anio satria betsaka amin’ny fanabeazana ny tanora no azo atao amin’ny alalan’ny Fanatanjahantena.

Taorian’ny valan’aretina Covid-19 dia betsaka ny zavatra hiova ka ny Fanatanjahantena dia anisany fanoitra ahafahantsika mivoatra, ka vonona amin’ny fiaraha-miasa ny UNESCO » hoy i Ramatoa Yvette SYLLA.

Autre Articles

FARITRA DIANA: FIOFANAN’NY JUNIOR REPORTERS CLUBS

FARITRA DIANA: FIOFANAN’NY JUNIOR REPORTERS CLUBS

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fampiofanana ireo Junior Reporters Clubs miisa 30 mianadahy. Ampiofanina azy ireo mandritra izany ny lohahevitra mifandraika amin'ny fiainan'ny zatovo sy ny tanora, ny fihetsika fototra fanaon'ny ankohonana, ny U-Report Madagasikara...