MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

ANS : FAMPIOFANANA HO AN’NY MPANAZATRA SY MPITSARA NY TARANJA ADY TOTOHONDRY.

Tontosa ny 13 ka hatramin’ny 18 Septambra 2021 teo ny fiofanana ho an’ireo teknisiana izay nokarakarain’ ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tamin’ny alalan’ny Akademia Nasionaly ny Fanatanjahantena (ANS).

Tamin’ity andiany ity dia mpanazatra 25 avy ao amin’ny Federasiona Malagasy ny Ady Totohondry no nisitraka izany.

Anio Sabotsy no natao ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo marim-pahaizana manamarika ny fahavitan’izany fiofanana izany ka tonga nanome voninahitra io fotoana io, nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena Ramatoa RAKOTOZAFY Rosa no sady Filohan’ny Filan-kevim-pitantanan’ny ANS.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony no nampatsiahiviny ny anjara toerana lehibe tanan’ny Akademia Nasionalin’ny Fanatanjahantena amin’ny lafiny fampiofanana momba ny taranja rehetra. Ho fanatanterahana hatrany ny Velirano faha-13 dia manana adidy goavana ireo mpanazatra noho izany mila manana ny traikefa rehetra mahakasika ny taranja izay iandraketany.

Raha tsiahivina , ny tontolon’ny ady totohondry dia anisany taranja nanandratra avo dia avo ny voninahim-pirenena raha tsy hilaza hafa tsy ny fandraisana anjara tamin’ireo lalao olaimpika nifandimby ary ny fananana tompondakan’i Afrika amin’izany taranja izany.

Ka ny famerenana indray ny hasin’izany taranja izany no anisany anton’ny fampiofanana izay vao dingana voalohany ary ny teto Analamanga no nisantatra izany.

Mbola ho atao manaraka ihany koa ny fampiofanana ireo avy any amin’ny faritra rehetra mba hampitoviana lenta ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara.

Ity fiofanana ity dia niompana tamin’ny « formations spécificiques » ho an’ireo mpanazatra eo anivon’ny federasiona izay nahitana ireto foto-kevitra ireto:

  • Fampiofanana ny metodolojia @ ankapobeny mahakasika ny fanazarantena
  • Fampiofanana ny amin’ny fandrafetana drafitra momba ny fanazarantena
  • Fomba fampivelarana ny fahaiza-manao ara-batana
  • Ny mahakasika ny ratra ara-panatanjahantena sy ny fomba fisorohana izany
  • Ny vonjy taitra
  • Fomba fiaina ara-pahasalamana
  • Dietetika na fomba fikarakarana ny sakafo

Autre Articles

ANTSIRANANA: FITSIDIHANA IREO CENTRES DES JEUNES

ANTSIRANANA: FITSIDIHANA IREO CENTRES DES JEUNES

Omaly 11 martsa 2021, dia nanatanteraka fitsidihana ny centre des jeunes Tavandra tao Antsiranana ,Ramatoa Juliana RATOVOSON Tale Jeneraly misahana ny tanora. Ity ivon-toerana ity izay eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia  manabe...

KIANJA MANARAPENITRA AO ANTSIRANANA

KIANJA MANARAPENITRA AO ANTSIRANANA

Tonga nijery ny fizotrin'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra ao amin'ny fokontany Ambohimitsinjo, commune ambonivohitra Antsiranana, distrika Antsiranana I  ny delegasiona avy ao amin'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay notarihan'i...

DRJS DIANA: FANARAHA-MASO IREO MPIASAM-PANJAKANA

DRJS DIANA: FANARAHA-MASO IREO MPIASAM-PANJAKANA

Mitohy hatrany ny fanaraha-maso sy fitsidihana ireo mpiasan'ny Ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahantena any amin'ny faritra. Taorian'ny fitsidihana ireo faritra tany amin'ny tapany atsimon'i Madagasikara dia nisy indray ny fitsidihana ny fitaleovam-paritry ny Tanora...

« AFP SMART » niarahana tamin’ny HP+/USAID

« AFP SMART » niarahana tamin’ny HP+/USAID

Ao anatin’ny fampiroboroboana ny fandrindram-piterahana eto Madagasikara dia nisy atrikasa fanofanana tompon’andraikitra sy teknisianina hisahana manokana momba ny fandrindram-piterahana araka ny fomba fiasa « AFP SMART » notanterahina tetsy amin’ny hotely lehibe...

CONFEJES : FANOKAFANA SY FAMARANANA NY FIVORIANA FAHA 38

CONFEJES : FANOKAFANA SY FAMARANANA NY FIVORIANA FAHA 38

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 26 febroary 2021 teo ny fivoriana faha-38 iraisan’ireo minisitra mpikambana ao anatin’ny CONFEJES. Io fihaonana io dia napetraka teo ambany fiahian’Andriamatoa Roch Marc KABORE, filoham-pirenena Burkina Faso. Tonga nanome...