MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY MASOIVOHO IRANIANA ETO MADAGASIKARA AN’ANDRIAMATOA MINISITRA

Tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy an’ Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa; Ali Bakhshi Hassan, Masoivoho Iraniana eto Madagasikara anio 21 Septambra 2021 tao amin’ny biraony teo Ambohijatovo .

Niompana tamin’ny fandinihana ny  fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, Iran sy Madagasikara amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny fihaonana.

Noresahana nandritra izany  ny fanomanana ny fifanaraham-piara-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny lafiny fanatanjahantena.

Nirary soa ny ekipam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra ihany koa ny Masoivoho Iraniana ho tafita amin’ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny Tompondaka erantany.

Naneho ny fisaorana ho an’ ny Ambasadaoro sy ny Repoblika Iran amin’ny

Fiaraha-miasa ny Minisitra. « Manga ny lanitra eo amin’ny tontolon’ny Fanatanjahantena  » hoy Andriamatoa Minisitra.

Autre Articles

FARITRA DIANA: FIOFANAN’NY JUNIOR REPORTERS CLUBS

FARITRA DIANA: FIOFANAN’NY JUNIOR REPORTERS CLUBS

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fampiofanana ireo Junior Reporters Clubs miisa 30 mianadahy. Ampiofanina azy ireo mandritra izany ny lohahevitra mifandraika amin'ny fiainan'ny zatovo sy ny tanora, ny fihetsika fototra fanaon'ny ankohonana, ny U-Report Madagasikara...