Amin’izao fandalovan’ ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany.
Nijery ny toerana malalaka manodidina ny kianja ihany koa Andriamatoa Minisitra izay ho kasaina hanorenana kianja ho an’ny tennis, baskety ary Handball, izay mirefy 95 metatra ny lavany ary 34 metatra ny sakany.
Fitsidihana izay niarahana tamin’ny talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao an-toerana.