MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA BASIKETY : FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIADIANA IZAY HO TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA 2021 LEHILAHY SY VEHIVAVY.

Notontosaina androany 2 Octobra 2021 ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara 2021 lehilahy sy vehivavy teo amin’ny taranja basikety.

Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY sy ny mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera izay nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony no nisaorana ny federasiona tamin’ny ezaka rehetra vita ho fanatanterahana ity fifaninana ity izay lehibe indrindra eto Madagasikara satria natao hifidianana ireo izay handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy. Nisaorana toy izany ihany koa ny ligy ary indrindra ny klioba amin’ny fikarakarana ireo ekipa tafakatra amin’izao dingana izao.

Tsy adino ny mpanazatra izay angady nananana ireo mpilalao tamin’ny lafiny fanazaran-tena.

Namela hafatra ny tokony hanaovan’ireo mpitsara ny asany araka ny tokony ho izy mifanaraka amin’ny fianianana izay natao sy ny traikefa ananan’izy ireo.

Nentanina ihany koa ny klioba amin’ny ady atao amin’ny fangalaran-taona eo anivon’ny taranja basikety izay toetra tsy mendrika satria tsy medaly sy amboara ihany no azo amin’ny fanatanjahantena fa fanabeazana ihany koa.

Matoa ny fanatanjahantena nataon’ny Filoham-pirenena tao anatin’ny Veliranony dia manana andraikitra ny tsirairay amin’ny fanatanterahana azy.

Autre Articles

AMBOHIDRATRIMO: FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

AMBOHIDRATRIMO: FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notokanana anio Alakamisy 10 Jona 2021, ny kianja manarapenitra tao AMBOHIDRATRIMO, faritra Analamanga. Mizotra mankany amin'ny fandrosoana tokoa ny firenena raha eo amin'ny lafiny fanatanjahantena no resahina satria dia kianja manarapenitra roa amin'ity kianja ity...

MAHITSY : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

MAHITSY : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Notanterahana anio 6 Jona 2021 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao tao Mahitsy izay ao anatin 'ny Distrika Ambohidratrimo. Tonga nitokana izany ny Filohan'ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA, notronin' ny Filohan'ny Antenimierandoholona, ny Minisitry ny...

GTCF: FANKALAZANA NY FAHA-20 TAONA

GTCF: FANKALAZANA NY FAHA-20 TAONA

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny CONFEJES ary ny delegen’ny GTCF eto Madagasikara dia nanatanteraka hetsika ho an'ny tanora sy fanatanjahantena ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-20 taona niorenan’ny GTCF (GROUPE DE TRAVAIL POUR LA PROMOTION...