MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY MASOIVOHON’I CHINE MIASA SY MONINA ETO MADAGASIKARA.

Tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy an’ Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena Ramatoa GUO Xiaomei, Masoivohon’i Chine eto Madagasikara ny 26 oktobra 2021 tao amin’ny biraony teto Ambohijatovo .

Niompana tamin’ny fandinihana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, Chine sy Madagasikara amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny fihaonana.

Noresahana nandritra izany koa ny fanomanana ny fifanaraham-piara-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny lafiny fanatanjahantena.

Ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy hoy Andriamatoa Minisitra no anisany akaiky indrindra ary eo ihany koa ny tetikasa handefasana atleta sy teknisianina malagasy hiofana any Chine ho fanomanana ireo lalao iraisam-pirenena lehibe handraisantsika anjara.

Anisany ventin-dresaka ihany koa ny fanavaozana sy fanamboarana foto-drafitrasa toy ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina eo Mahamasina.

Naneho ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa ny Ambasadaoro raha nandray fitenenana ary nilaza fa afapo tanteraka tamin’ny fiaraha-miasa misy teo amin’ny firenena roa tonta amin’ny lafiny fanatanjahantena izay tena nitondra vokatra tsara ary afaka ny manatsara hatrany ho fanatanterahana ireo tetik’asa rehetra nokasaina hatao izay voatery naato noho ny fisian’ny Covid-19. Tetikasa niompana indrindra tamin’ny fametrahana ivon-toerana fanaovana fanatanjahantena ho an’ny rehetra eny amin’ny zaridaina natao ho an’ny rehetra, ny fanomezana materialy ara-panatanjahantena, ny fanofanana mahakasika ny fitantanana ny foto-drafitrasa ara-panatanjahantena, sns….

Naneho ny fisaorana ho an’ ny Ambasadaoro sy ny Repoblika Sinoa amin’ny fiaraha-miasa ny Minisitra.

Autre Articles

FITSENANA IREO LOHOLONA TAO TOLIARA

FITSENANA IREO LOHOLONA TAO TOLIARA

Tonga tao Toliara omaly Alahady faha 21 Febroary 2021 ireo Loholon'i Madagasikara izay lany tao anatin'ny Faritany Toliara, dia Andriamatoa Ongombelo Marcel, Andriamatoa Rakotomamonjy Neypatraiky sy Andriamatoa Richard Tsiebo Mahaleo ary ny Filoha Lefitra ny...

FANDAHARAN’ASA PÔLE EMPLOI JEUNE- PLATEFORME HAFA

FANDAHARAN’ASA PÔLE EMPLOI JEUNE- PLATEFORME HAFA

Noraisin-dRamatoa Juliana RATOVOSON, tale jeneraly misahana ny tanora tao amin’ny biraony tetsy Ambohijatovo ny talata 16 febroary teo ny plateforme « HAFA ». HAFA dia plateforme ivondronan’ny tanora maro avy amin’ny faritra 22 sy ireo diaspora malagasy monina any...

FARITRA BOENY: FANABEAZANA MAHA OLOM-BANONA IREO TANORA.

FARITRA BOENY: FANABEAZANA MAHA OLOM-BANONA IREO TANORA.

Tontosa ny faha 12 Febroary 2021 lasa teo ny fanabeazana maha olom-banona ireo tanora anaty fikambanana. Tanora miisa 120 no niatrika ny fiofanana, solontena avy amin'ny fikambanana Tanora miisa 41 izy ireo. Lohahevitra noraisina ny hoe: "Ny Zo sy Andraikitrao Tanora...

FIFANARAHANA IRAISAM-PIRENENA ENTINA HANOHERANA NY  » DOPAGE » AO ANATIN’NY SEHATRY NY FANATANJAHANTENA.  FIHAONANA VIRTOALY MIKASIKA NY TATITRA : ADLOGIC DES PLATEFORMES NATIONALES DE CONFORMITÉ DES ETATS PARTIES.

FIFANARAHANA IRAISAM-PIRENENA ENTINA HANOHERANA NY  » DOPAGE » AO ANATIN’NY SEHATRY NY FANATANJAHANTENA. FIHAONANA VIRTOALY MIKASIKA NY TATITRA : ADLOGIC DES PLATEFORMES NATIONALES DE CONFORMITÉ DES ETATS PARTIES.

Tontosa ny 09 febroary 2021 ny fihaonambe fakan-kevitra virtoaly izay natao ho fampiharana ny fanarahan-dalàna ireo mpikambana ao anatin'ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny '' Dopage'' mandritra ny fanatanjahantena. Nandray anjara tamin'izany ny Ministeran'ny...