MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY MASOIVOHON’I CHINE MIASA SY MONINA ETO MADAGASIKARA.

Tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy an’ Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena Ramatoa GUO Xiaomei, Masoivohon’i Chine eto Madagasikara ny 26 oktobra 2021 tao amin’ny biraony teto Ambohijatovo .

Niompana tamin’ny fandinihana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, Chine sy Madagasikara amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny fihaonana.

Noresahana nandritra izany koa ny fanomanana ny fifanaraham-piara-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny lafiny fanatanjahantena.

Ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy hoy Andriamatoa Minisitra no anisany akaiky indrindra ary eo ihany koa ny tetikasa handefasana atleta sy teknisianina malagasy hiofana any Chine ho fanomanana ireo lalao iraisam-pirenena lehibe handraisantsika anjara.

Anisany ventin-dresaka ihany koa ny fanavaozana sy fanamboarana foto-drafitrasa toy ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina eo Mahamasina.

Naneho ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa ny Ambasadaoro raha nandray fitenenana ary nilaza fa afapo tanteraka tamin’ny fiaraha-miasa misy teo amin’ny firenena roa tonta amin’ny lafiny fanatanjahantena izay tena nitondra vokatra tsara ary afaka ny manatsara hatrany ho fanatanterahana ireo tetik’asa rehetra nokasaina hatao izay voatery naato noho ny fisian’ny Covid-19. Tetikasa niompana indrindra tamin’ny fametrahana ivon-toerana fanaovana fanatanjahantena ho an’ny rehetra eny amin’ny zaridaina natao ho an’ny rehetra, ny fanomezana materialy ara-panatanjahantena, ny fanofanana mahakasika ny fitantanana ny foto-drafitrasa ara-panatanjahantena, sns….

Naneho ny fisaorana ho an’ ny Ambasadaoro sy ny Repoblika Sinoa amin’ny fiaraha-miasa ny Minisitra.

Autre Articles

DIEGO: U- REPORT MADAGASIKARA.

DIEGO: U- REPORT MADAGASIKARA.

Anjaran'ny Tanora tao Diego indray no nanaovana ny fanentanana  mahakasika ny U-report izay niarahana tamin'ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora eo anivon'ny Ministera ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Ramatoa Juliana RATOVOSON anio Alahady 4 jolay 2021 . Marihina...

ANTSIRANANA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA

ANTSIRANANA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Nandritra ny fidinana ifotony nataon' AndriamatoaTINOKA Roberto,  Minisitry ny Tanora syny Fanatanjahantena ao amin'ny Faritra Diana dia  tonga nijery  ny asa fanamboarana ny  kianja manarapenitra ao Diego Suarezny tenany omaly Sabotsy 03...

MORONDAVA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA VAOVAO.

MORONDAVA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA VAOVAO.

Tonga nidina ifotony nijery ny fandroson'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Morondava ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto androany 24 Jona 2021. Nanotrona azy tamin'izany ny Mpandrindra Jeneraly misahana ny Tetikasa...