MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin’ny Paramed tany Morondava niaraka tamin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD’ALI, indrindra amin’ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany.

Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany koa izy nijery ny Tanora sy ireo fotodrafitrasa mila fanamboarana. Hataony laharam-pahamehana noho izany ny fanorenana Maison des Jeunes (CAPJ).

Nohamafisiny fa atao ny ezaka rehetra mba samy hisitraka avokoa ny Faritra eran’ny nosy.

Autre Articles

KIANJA BAREA MAHAMASINA

KIANJA BAREA MAHAMASINA

Nisy ny fitsidihana ny fandrosoan'ny asa izay atao ao amin'ny kianja BAREA Mahamasina ny alatsinainy 1 Febroary 2021. Kianja; izay handraisana ny lalao CAN 2021, hifandonan'i Madagasikara sy Niger ny faha-30 Martsa 2021. Araka izany, nanatanteraka  fidinana ifotony...

TOLIARA : MPIASAN’NY FITSARANA

TOLIARA : MPIASAN’NY FITSARANA

Notontosaina androany 1 febroary 2021 ny fametrahana ireo mpiasan'ny fitsarana 12 tany amin'ny Faritany Toliara. Tonga nanome voninahitra izany tany an-toerana ny solotenan'ny Governemanta Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena TINOKA Roberto no sady...

Noraisin’ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa RATOVOSON Juliana, anio tao amin’ny biraony tetsy Ambohijatovo ny birao mpitantana ny « Fikambanam-behivavy Ambohidratrimo Mivoatra». Noresahana nandritra izany fihaonana izany ny paikady hametrahana « Centre des...