FIVORIAMBE FAHA-41 NY UNESCO

Tao aorian’ny fihaonan’ny Tale Jeneraly lefitra misahana ny siansa sosialy sy ny maha olona sy ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia niroso tamin’ny « séance plénière » ny fandaharam-potoanan’ny fivoriam-be faha 41 ny UNESCO.

Koa anisany nandray anjara tamin’izany i Madagasikara izay nisoloan-tenan’Atoa Minisitra MAMOD’ALI Hawel.

Nandritra izany fotoana izany no nanaovana ny fankatoavana ny tatitra nataon’ny vaomiera tsirairay avy.