
Nanatanteraka » Levée de fond », ny eo anivon’ny Federasionina Malagasy ny Dihy ara-panatanjahantena sy ny Dihy mihaja, anio faha 5 desambra, izay nahitana ireo ligy maromaro mandrafitra azy, toy ny Vakinakaratra, Menabe, Haute Matsiatra.
Natao izany ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompon-dakan’ny Madagasikara izay hatao ny faha 5, 6 febroary ny taona 2022 izay anisany andraikitry ny federasiona.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany seho izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Atoa MAMOD’ALI Hawel.
Naneho fankasitrahana amin’ny hetsika sy ny ezaka izay ataon’ny fiderasiona, izay mifameno sy mifanampy amin’ny Ministera izay tantaniny ny tenany.
COM/MJS, Desambra 2021