Notontosaina anio asabotsy faha-11 desambra tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fididianana izay ho filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja tennis.
Kandidà 2 mianadahy no nilatsaka ho fidiana tamin’izany.
Voafidy ho filoha vaovao, Atoa RAKOTOMANIRAKA Soloniaina, rehefa nahazo isam-bato 5 tamin’ireo ligy 6 tonga nifidy.
Nanatrika izany fifidianana izany, Atoa ANDRITERAKANDRIANA Aina, Talé misahana ny Fanohanana ny Fanatanjahantena Avo Lenta (DASHN), eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, sy ny mpiara miasa aminy ary ny solon-tena eo anivon’ny Komity Olaimpika Malagasy (COM).