Nanatontosa fitsidihana tany amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ny farany herinandro lasa teo, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Atoa MAMOD’ALI Hawel sy ireo delegasionina niaraka taminy.
Maro ireo foto-drafitr’asa notsidihan’izy ireo, toy ny kianja, Kianja mitafo, dobo filomanosana ao amin’ny CJST Toamasina, izay hita fa tokony hisy fanamboarana sy fanatsarana tokony ho atao, Ka nampanantena ny Ministra ny hanaovana izany fanatsarana izany.
Teo ihany koa ny kianja manarapenitra tao Fenoarivo Atsinanana, ary nijery ny asa izay eo andalam-panamboarana, dia ny kianja mitafo izay mahazaka mpijery 1.000 isa.
Tsy latsa-danja nandritra izany fitsidihana izany, ny fandalovana nijery ireo mpiara-miasa ao amin’ny Fitaleovam-paritra Analanjirofo sy ny « plateau sportif » ary ny tranoben’ny tanora ao an-toerana.
Hita arak’izany fa miezaka hatrany ny Minisitra midina ifotony mijery sy manara-maso ireo asa tokony mbola hovitaina ho fanatanterahana ny velirano mifandraika amin’ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena.