
Tafiditra ho mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny » Association Mondiale Antidopage » i Madagasikara amin’ny alalan’Atoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena.
Firenena Afrikanina miisa 3 ihany no tafiditra ao anatin’ity rafi-pitantanana ity, dia i Ghana, Egypte ary Madagasikara.
Hanomboka ny faha-01 Janoary 2022 ny handraisana izany andraikitra vaovao izany ary haharitra 3 taona.
Anisany votoantin’ny asa izay hatao ny fanatsarana ny politika mahakasika ny ady maneran-tany eo amin’ny fampiasana fanafody mampatanjaka hoan’ny mpanao fanatanjahantena, ny fampanaovana fiofanana ireo tompon’andraikitry ny fitiliana mifandraika amin’izany sy fijerena ary fanavaozana ireo fanafody tsy azo ampiasaina.
Ny AMA dia miara-miasa amin’ny rafitra ara-panatanjahantena iraisam-pirenena rehetra, mandray anjara tanteraka amin’ny lalao iraisam-pirenena rehetra, ary manatanteraka fitiliana tsy ara-potoana koa amin’ireo mpanao fanatanjahantena rehetra tsy ankanavaka.
Ny tanjona dia ny mba hananana fanatanjahantena madio.
Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fipetrahany anatin’ny rafitra iraisam-pirenena satria mifameno tanteraka amin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay mametraka ny hamerenana indray ny hambompom-pirenena amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena izay tanterahina amin’ny sehatra maro.