Tanteraka omaly faha- 16 Desambra 2021 tao amin’ny Lapan’ny Antenimerandoholona Anosy, ny fivoriana tsy ara-potoana sy dinidinika teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Antenimerandoholona, Atoa Herimanana RAZAFIMAHEFA.
Fivoriana notronin’ireo Filohan’ny Andrimpanjakana isan-tsokajiny sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta izay notarihin’ny Praiminisitra, Atoa Christian NTSAY.
Nandritra izany no nanambaran’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Atoa MAMOD’ALI Hawel, sy nitondrany fanazavana ny mahakasika ireo foto-drafitrasa ho an’ny fanatanjahantena toy ny kianja manarapenitra.
Nambarany tamin’izany ary, fa miisa 32 ny kianja vita tamin’ity andiany voalohany ity izay manerana ny nosy ary efa hivoaka ny andiany manaraka. Koa hiady mafy hoy izy mba ho an’ny Faritra manerana ny Nosy.
Nisy ihany koa ny kianja mitafo miisa 18 izay mahazaka olona 1000 sy 4000 olona.
Etsy ankilany, manoloana ny fahavitsian’ny mpampianatra fanatanjahantena dia efa namoaka mpianatra miisa 145 ny tao amin’ny ANS, ary efa natao ny herinandro lasa teo ny fanamparitahana azy ireo manerana ny faritry ny nosy.
Efa nisy ihany koa ireo mpianatra miisa 17 tao amin’ny niveau 2 sy niveau 4, izay nomena ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Nentiny namaranana ny anjara fitenanany, ny fanamarihana fa ny Ministera dia tsy mitsabaka amin’ny raharaha anatin’ny Federasionina, fa saingy manaramaso ny fampiharana ny lalàna rehetra mifehy azy ireo mba hampirindra ny fitantanana ny Fanatanjahantena eto Madagasikara.