FIHAONAN’NY MINISTRA LEFITRA MISAHANA NY TANORA TAMIN’NY SOLONTENA MAHARITRY NY PNUD ETO MADAGASIKARA

Noraisin’i Ramatoa Minisitra lefitra misahana ny Tanora Juliana Tahina Ratovoson.ny Solontena maharitry ny PNUD Madagascar Natasha Van Rijn ny alatsinainy faha 11 oktobra.

Nodinihana tamin’izany ny fanomanana ny dian’ny delegasiona malagasy hiatrika ny Fihaonambe YouthConnekt Africa izay hatao ao Accra Ghana ny 20-22 oktobra 2021 izao.

Izao fihaonana izao koa no nizarana ireo asa laharam-pahamehana ho an’ny ministera misahana ny tanora.

Ny #PNUD dia anisan’ny mpiaramiombon’antoka miara-miasa akaiky amin’ny Ministère de la Jeunesse et des Sports, ary nanamafy izy ireo fa hampitomboina ny fanohanana ny tanora malagasy.