Tontosa ny zoma 05 novambra 2021 tao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny atrikasa natao hamantarana sy hamahana ireo karazan’ olana mety hampandringa sy hampihitsoka ny ezaka efa natao eo amin’ny lafiny haitaky na « plaidoyer » ataon’ny tanora. Nambaran-dRamatoa Tale jeneraly misahana ny Tanora Noro Haingo RAKOTOSEHENO fa vaindohan-draharahan’ny Ministera ny tanora sy ny fanatanjahantena amin’ny alalan’ny Ministra lefitra misahana ny tanora ny hanangana rafitra tanora matanjaka sy matihanina eto Madagasikara mba entina manatratra ny veliranon’ny faha-8 ny Filohan’ny Repoblika dia ny « Fampizakan-tena ny tanora ». Ny fikambanana tanora araka izany no hery hampihetsika ireo tanora namany amin’ny fampandrosoana azy ireo amin’ny lafim-piainany maro. Fanombohana izao fakan-kevitra amin’ny tanora izao mba hampahomby azy ireo amin’ny sehatra samihafa sy andraikitra manandrify ny tsirairay avy. Ny departemanta misahana ny Fandrindrana ny fikambanana tanora no misahana akaiky ity atrikasa ity. Miisa 40 teo ho eo ny isan’ny fikambanana nandray anjara sy nanaraka tamin’ny tambajotra sosialy ny hetsika ary fiaraha-miasa amin’ny Unicef madagasikara. |
Communiqué de presse sur la Journée Internationale des Jeunes Filles
« Avec elles, encourager l’instruction et la qualification professionnelle des filles» Les jeunes filles de toute l’Ile à l’honneur en ce jour spécial. Depuis l’adoption de la date du 11 octobre en 2012 comme Journée internationale des jeunes filles (JIJF), suivant la...