Natomboka androany faha 18 Novambra 2021 ka haharitra 2 andro ny atrikasa momba ny fampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny tanora eo amin’ny sehatra politika sy fitantanana ny raharaham-panjakana.
Mpiantsehatra maro isantsokajiny no hita ao anatin’izany izay ahitana Tanora mpandraharaha, mpikambana ao anaty fikambanana tanora sy antoko politika ary Tanora tomponan-draikitra anaty vondrona maro samihafa. Izao hetsika izao moa dia fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny « Centre Europeen d’Appui Electorale ECES » ary ny « Organisation Internationale de la Francophonie OIF ». Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa dia nanamafy i Ramatoa Juliana RATOVOSON, Minisitra Lefitra misahana ny Tanora, fa « isan’ny fanamby amin’ny asa fampiroboroboana ny tanora malagasy ny fandraisana anjaran’ny tanora amin’ny raharaham-pirenena sy ny fanapahan-kevitra raisina rehetra ». Mifanojo ihany koa amin’ny fandaharan’asan’ny fitondram-panjakana ankehitriny izany sy ny votoantin’ny « Pacte National des Jeunes » izay novolavolain’ny tanora ny taona 2018 dia ny firotsahan’ny tanora antsehatra feno amin’ny fiainam-pirenena. Zava-dehibe izao hetsika izao satria manome lanja ny feon’ny tanora amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra isan’ambaratonga.Tafiditra ao anatin’izany ny fanetsiketsehana ny Parlemanta Nasionaly ho an’ny Tanora eto madagasikara na ny PNJ-M #MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #OIF #ECES #CCMAJ
|
Programme de Promotion de l’Entreprenariat des Jeunes (Ex FIJ) – 2015
Le Ministère de la Jeunesse et des Sports en partenariat avec la CONFEJES informe le public pour l’ouverture de l’appel à candidature aux projets PPEJ (Programme de Promotion de l’Entreprenariat des Jeunes) ex FIJ. L’appel de candidature s’adresse aux jeunes de 16 à...