Atrikasa mahakasika ny Fankatoavana ny tari-dalana sy fitaovana fanofanana Tanora momba ny hay-taky sy ny hay-tarika ary Fitantanana sy Fampiroboroboana Tetikasa no notanterahina tetsy amin’ny Hotel Colbert ny 25 Novambra 2021 lasa teo. Notontosaina izany mba hanomanana ny Tanora mba hahay hifehy na hamaha sy hisoroka ireo tranga mety hiteraka disadisa eny anivon’ny fiaraha-monina. Nandritra ity atrikasa ity dia niisa teo amin’ny 40 teo ho eo ny mpandray anjara nanatrika izany atrikasa izany. Hisy ny teknisianina hanome fampiofanana ireo Tanora momba ny Fampiofanana mpampiofana isaky ny renivohi-paritany mba ahafahana manaparitaka io fahaiza-manao io manerana ny faritra 23 eto Madagasikara, ary hisy koa ny fifaninana tetikasa izay ho ataon’ny Tanora ho fampivoarana ny fiaraha-monina, ary izay mivoaka mpandresy amin’izany dia ho vatsiana tohana mifanaraka amin’ny tetikasany ihany. Ny atrikasa toy izao dia varavarana misokatra ho an’ny fifampiresahana eo amin’ny Tanora sy ireo Tompon’andraikitra isantsokajiny hahafahana mitady vahaolana voarindra hametrahana fandriampahalemana maharitra eto amin’ny Firenena.
#MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #MSISTAtao #PBF #PNUD #ONGIvorary #ONGRavintsara #AIM #AVG #Studio_sifaka
|
FIARAHA-MIENTANA MITSINJO NY MPIARA-BELONA: MIALY RAJOELINA NIDINA TENY IFOTONY
Nandritra ny fidinana ifotony izay nataon'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, Ramatoa Mialy RAJOELINA, sady filohan'ny Association FITIA dia nanotrona azy teny antoerana ireo Minisitra vehivavy izay mpikambana ao anatin'ny Governemanta. Nisy ny fizarana koba aina sy...