Tanora miisa 310 ao amin’ny renivohi-paritr’i Diana no misitraka fampiofanana « Informatique » izay karakarain’ny Conseil Communal de la Jeunesse Antsiranana. Tonga nijery ifotony izany ny mpikambana amin’ny Kabinetran’ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora, Atoa Mahery Ramanantoanina, ka nitondra fampitaovana sy nankahery ireo tanora.
Ankasitrahana ny CCJ Antsiranana, loha-laharana hatrany amin’ny fampandrosoana ny tanora . #MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #DRJS #CCJ
|
ATRIKASA MAHAKASIKA NY TETIKASA OBS-MADA
Atrikasa mahakasika ny Fankatoavana ny tari-dalana sy fitaovana fanofanana Tanora momba ny hay-taky sy ny hay-tarika ary Fitantanana sy Fampiroboroboana Tetikasa no notanterahina tetsy amin'ny Hotel Colbert ny 25 Novambra 2021 lasa teo. Notontosaina izany mba...