MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

YOUTHCONNEKT MADAGASCAR: TANORA MANDRAFITRA NY HO AVY

Nanomboka ny taona 2017 i Madagasikara no niatrika voalohany ny Fihaonana antampon’ny YouthConnekt Africa. Hatramin’izao dia miezaka sy tsy mikely soroka ny fitondram-panjakana malagasy sy ireo mpiara-miombon’antoka mikatsaka mandrankariva ny fomba hampivoarana sy ho fampandrosoana ny Tanora malagasy izay voafaritra ao anatin’ny velirano faha-6 « Asa mendrika ho an’ny Tanora », ny velirano faha-7 « Fampiroboroboana ny Indostria » ary ny velirano faha-9 « Fizakan-tena ara-tsakafo ho an’ny Tanora ».

Tamin’ity taona 2021 ity dia feno dia feno tokoa ny fandaharam-potoana satria dia ny faha 22 ny volana Oktobra teo no niatrehana ny fihaonana antampony YouthConnekt Africa tamin’ity taona 2021 ity, izay nahitana an-dRamatoa Juliana Ratovoson, Minisitra Lefitra misahana ny Tanora, izay nitarika ny delegasiona malagasy izay nahitana an’i Ramatoa Natasha Van Rijn, Solontena maharitry ny PNUD eto Madagasikara ary solontenan’ny tetikasa FIHARIANA ary koa Tanora mpandraharaha maromaro, ary ny faha 26 Novambra teo kosa ny hetsika YouthConnekt « Tanora mandrafitra ny ho avy » izay natao hampisongadinana ny vokatra azo ary koa hametrahana paik’ady ho fandrindrana sy fampandehanana ireo tetik’asa sy volavolankevitra.

Fahombiazana tokoa no hita tamin’ny fanatanterahana ny hetsika satria dia nanome tanana tanteraka ny Tanora ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ireo mpandraharaha Tanora ampolony nahazo fanampiana mivantana avy amin’ny Filohampirenena Andry Rajoelina.

Maro ireo tetikasa nahazo tosika ho amin’ny fanatsarana misimisy kokoa sy ho amin’ny fampivelarana ny seham-pihariana rehefa nitafa mivantana tamin’ny Filoha ary koa nisy ny fifanankalozan-kevitra niarahan’izy ireo tamin’ireo Mpandraharaha efa matihanina.

Ny fanjakana malagasy dia mikatsaka mandrakariva ny fomba hampandrosoana ny Tanora Malagasy amin’ny fanomezana azy ireo ny tosika sy tolotanana ilain’izy ireo amin’ny fampadrosoana ny seham-pihariana idiran’izy ireo tsirairay avy.

#MJS #DGJ #youthconnekt #pnud #fihariana

Autre Articles

TANORA MIZARA AMPITIAVANA ♥️♥️♥️

TANORA MIZARA AMPITIAVANA ♥️♥️♥️

Tsy hain’ny tanora ny hijery fotsiny izao voina mahazo ny mpiray tanindrazana izao. Tsara kokoa ny manome noho ny mandray , tamim-pitiavana no nitondran’ny tanora fitafiana mafana hanampiana ireo niharam-boina. Izany rehetra izany dia natao teo ambany fitarihan’i...

FIARAHA-MIASA MJS- UNFPA

FIARAHA-MIASA MJS- UNFPA

Nahazo fampitaovana MOTO CROSS miisa ny Ministère de la Jeunesse et des Sports avy amin'ny UNFPA Madagascar ho fanamorana ny fidinana ifotony atao ho fampiroboroboana ny Tanora. Ireo Moto ireo dia omena iasana amin'ny Maison des Jeunes any amin'ireto Faritra manaraka...