Tontosa tao Morondava,ny hetsika lehibe ho fampiofanana sy famporisihina ho fampandraisana anjara bebe kokoa ny tanora amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, izay fiaraha miasa teo amin’ny DRJS sy ny DREDD MENABE.
Ny Tale misahana ny fifanaraham-piaraha- miasa sy fampandrosoana(DPaD) no nisolo tena ny Minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Atoa MAMOD’ALI Hawel, nandritra izany hetsika izany.
Tanora miisa 200 no nandray anjara. Nandritra ny andro voalohany tamin’izany dia niofana momban’ny : « Leadership et culture entrepreneurial ; Santé des Jeunes ; Management Sportif », ny andro faharoa kosa dia ny avy ao amin’ny DREDD Menabe no nampiofana ireo tanora mahakasika ny : « Eco-geste ; Changement climatique ; Reboisement : production de jeunes plants, mise en terre et suivie ».
Nofaranana tamin’ny fizarana ny « Certificat » ho an’ireo tanora rehetra tonga niofana izany hetsika izany.
Ary nametrahana ihany koa ny « Site de reboisement de Mangrove » izay velarantany 2.5Ha no nambolena kinapo miisa 10.000, tao amin’ny Fokontany Kimony, Kaominina ambanivohitry Bemanonga.
Fisaorana sy fankasitrahana no atolotra ireo rehetra nanampy sy nandray anjara tamin’ny fanatontosana izao hetsika izao.