
Tontosa anio alatsinainy faha-27 desambra teny amin’ny foiben’ny komity olaimpika Malagasy teny Ivandry ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja judo.
Nandritra ny fifidianana izay natao tamin’ny alalan’ny visio conférence dia voafidy ho filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja Judo, Atoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry, izay kandidà tokana nilatsaka tamin’izany fifidianana izany. Ligy 8 tamin’ireo 8 nanatrika ny fifidianana no nifidy azy tamin’izany.
Noho ny andraikitra lehibe izay sahaniny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena anefa dia napetrany amin’Atoa SAID Bruno Eric ny fitantanana sy ny andraikitra maha filohan’ny federasionina Malagasin’ny Judo mandritra ny 4 taona.
Nanatrika izany fifidianana izany, Atoa ANDRITERAKANDRIANA Aina, Talé misahana ny Fanohanana ny Fanatanjahantena Avo Lenta (DASHN), eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, sy ny mpiara miasa aminy ary ny solon-tena eo anivon’ny Komity Olaimpika Malagasy (COM).