Nandritra ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena hoan’ny Filatsahana An-tsitrapo, ny 05 Desambra 2021, ny fikambanana One Way for Change dia nikarakara ny hetsika « Award Day », izay fotoana iray fanomezandanja ny ezaka natao sy fankasitrahana ireo mpilatsaka antsitrapo, tamin’ireo fikirizana sy fahafoizantena izay nataon’izy ireo ho amin’ny fanampiana sy mpiara-belona sy ny asa fampandrosoana isan-karazany.
Ny mpilatsaka antsitrapo izay nisitraka ny fankasitrahana moa dia ireo izay vofidin’ireo fikambanana nisy azy ireo tamin’ny alalan’ny faharetany sy fikirizany tamin’ny andraikitra izay napetraka taminy ary ny fahafoizany tena sy fotoana nanao ny asa antsitrapo niandraiketany.
Nandritra io fankalazana io dia nanome fankaherezana azy ireo ihany koa ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora Juliana RATOVOSON tamin’ny alalany tomponandraikitra avy ao amin’ny fitaleavana CCMAJ izay misahana ny fikambanan’ny Tanora.
Amporisihina hatrany ny Tanora mba hahay hizara sy hifanampy satria izany no antoky ny fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy satria ny Tanora no ankehitriny sy ho avin’ny madagasikara. Faly aho fa misy ianao!
#MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #CCMAJ #OneWayForChange #volontariat #falyAhoFaMisyIanao