MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

JOURNEE INTERNATIONALE DU VOLONTARIAT

Nandritra ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena hoan’ny Filatsahana An-tsitrapo, ny 05 Desambra 2021, ny fikambanana One Way for Change dia nikarakara ny hetsika « Award Day », izay fotoana iray fanomezandanja ny ezaka natao sy fankasitrahana ireo mpilatsaka antsitrapo, tamin’ireo fikirizana sy fahafoizantena izay nataon’izy ireo ho amin’ny fanampiana sy mpiara-belona sy ny asa fampandrosoana isan-karazany.

Ny mpilatsaka antsitrapo izay nisitraka ny fankasitrahana moa dia ireo izay vofidin’ireo fikambanana nisy azy ireo tamin’ny alalan’ny faharetany sy fikirizany tamin’ny andraikitra izay napetraka taminy ary ny fahafoizany tena sy fotoana nanao ny asa antsitrapo niandraiketany.

Nandritra io fankalazana io dia nanome fankaherezana azy ireo ihany koa ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora Juliana RATOVOSON tamin’ny alalany tomponandraikitra avy ao amin’ny fitaleavana CCMAJ izay misahana ny fikambanan’ny Tanora.

Amporisihina hatrany ny Tanora mba hahay hizara sy hifanampy satria izany no antoky ny fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy satria ny Tanora no ankehitriny sy ho avin’ny madagasikara. Faly aho fa misy ianao!

#MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #CCMAJ #OneWayForChange #volontariat #falyAhoFaMisyIanao

Autre Articles

ATRIKASA MAHAKASIKA NY TETIKASA OBS-MADA

ATRIKASA MAHAKASIKA NY TETIKASA OBS-MADA

Atrikasa mahakasika ny Fankatoavana ny tari-dalana sy fitaovana fanofanana Tanora momba ny hay-taky sy ny hay-tarika ary Fitantanana sy Fampiroboroboana Tetikasa no notanterahina tetsy amin'ny Hotel Colbert ny 25 Novambra 2021 lasa teo. Notontosaina izany mba...

FITSIDIHAN’NY VMJ NY DISTRIKA’NY VATOMANDRY

FITSIDIHAN’NY VMJ NY DISTRIKA’NY VATOMANDRY

Tao aorian’ny fandalovan’i Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian teto Vatomandry no nanombohana ny fametrahana izao fotodrafitrasa ho an’ny tanora izao na « Maison des Jeunes ». Vita tanteraka ny asa fanamboarana, koa nitsidika ny Distrikan’i Vatomandry ny...