Tontosaina manomboka androany Alatsinainy 06 Desambra 2021 ka tsy hifarana rahatsy ny Alahady 12 Desambra 2021 ny fampiofanana ireo Tanora 18 ka hatramin’ny 35 taona, miisa 30 mahakasika ny FANDRAHARAHANA ARA-TSAKAFO izay tanterahina ao antampo-tananan’i Soanierana Ivongo mandritra ny 7 andro.
Izany hetsika izany dia iarahan’ny DRJS sy ny ORN Analanjirofo manatanteraka ao anatin’ilay tetik’asa HAFA VELONTENA izay vatsian’ny UNICEF vola. Marihina fa ireo Distrika 3 dia i Fenerive-Est, i Soanierana Ivongo ary i Vavatenina dia samy nandefa Tanora miisa 10 avy hanatanteraka ny io tetik’asa io. Ny tanjona dia ny fampandrosoana ifotony isam-paritra hatrany. #MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #DrJs #Analanjirofo #UNICEF
|
FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA
Ny faha 19 Janoary 2022 no nosokafana amin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2022 izay natao tao amin'ny Distrikan'i Mahanoro, teo ambany fitarihin'ny Minisitry ny tontolo iainana Baomiavotse Vahinala Raharinirina, MEDD izay nisolo tena ny Filoham-Pirenena Andry...