Ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana no olana goavana atrehin’ny zanak’olombelona amin’izao vanim-potoana iainantsika izao.
Mbola eo ihany koa ny kolikoly izay mahakasika ny toeram-piseharana rehetra ary tsy misy afa-miala amin’izany ny ankamaroan’ny firenena erak’izao tontolo izao.
Noho izany dia ilaina fanarenana tanteraka izao tontolo izao vokatr’ireo zava-mandoza ireo. Isika anefa manana fanantenana fa ny Tanora dia hery lehibe afaka manova izany rehetra izany ho amin’ny fanatsarana hatrany ny tontolo sy ny fiarahamonina misy azy ireo.
Izany indrindra no anton’izao fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Toetrandro sy Andro Maneran-tany hiadiana amin’ny Kolikoly izao dia hisy ny fampirantiana izay karakarain’ny « Direction de Civisme, de la Paix et du Developpement Durable – DCPD » miaraka amin’ireo fikambanana sy vondrona ary Mpandraharaha Tanora maro.
Izany dia hatao eny amin’ny Gymnase ANS Ampefiloha ny Alarobia 08 Desambra 2021