Kaominina 4 tato anatin’ny Distrikan’ Ambatondrazaka no notsidihin-dRamatoa Vice- Ministre misahana ny tanora omaly. Ny tao amin’ny Kaominina Ambandrika, Kaominina Ambohidava fokonkany Andranomena, Kaominina Ambatosoratra, ary Kaominina Ambohitsilaozana.
Nihaino ny olan’ny tanora sy ny hetahetan’izy ireo Ramatoa Minisitra ary tsikaritra tamin’izany fa ny tsy fananana asa no tena olana lehibe hiainan’ny tanora tao amin’ireo Kaominina notsidihiny ireo. Hitondra vahaolana mahakasika izany indrindra no antondian-dRamatoa Minisitra ka nanentana ireo tanora ireo izy mba hanangana fikambanana ka hanolotra fampihofanana azy ireo amin’izay sehatr’asa ilainy. Nanome toky izy fa aorian’ny fiofanana dia hanolotra fitaovana ihany koa. Raha ny tao amin’ny Kaominina Ambohitsilaozana manokana dia efa misy ny fikambanana mpiompy omby vavy be ronono ka hanolotra fampihofanana azy ireo Ramatoa Minisitra amin’ny fanodinana ny ronono ho lasa vokatra hafa toy ny fromage, yaourt, sy ny sisa. Ny tao amin’ny Fokotany Andranomena Kaominina Ambohidava dia nangataka ireo tanora ny mba hananganana « Maison des jeunes » any an-toerana satria tsy misy fialamboly ny tanora any an-toerana. Efa misy ny trano natolotry ny kaominina anaovana izany fa mila fanamboarana kely. Nidina teny ifotony nijery izany moa Ramatoa Minisitra ary nolazainy fa azo atao tsara ny manatanteraka izany hetahetan’ny tanora any an-toerana izany. Aorian’ny fandalovan-dRamatoa Vice- Ministre misahana ny tanora dia hidina eny amin’ireo Kaominina ireo ny ekipan’ny DRJS Alaotra Mangoro hanampy ireo tanora hanangana izany fikambanana izany
|
FAMARANANA NY FAHA 16 ANDRO IADIANA AMIN’NY HERISETRA MIANJADY AMIN’NY VEHIVAVY
Ny asabotsy faha 11 Desambra teo dia niaraka tamin’ireo « Femmes leaders » teto Moramanga aho namarana ny 16 andro iadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy na ny 16 jours d’activisme. Misy karazany ny herisetra izay atrehin’ny vehivavy sy ny zatovovavy, toy...