Ny asabotsy faha 11 Desambra teo dia niaraka tamin’ireo « Femmes leaders » teto Moramanga aho namarana ny 16 andro iadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy na ny 16 jours d’activisme.
Misy karazany ny herisetra izay atrehin’ny vehivavy sy ny zatovovavy, toy ny herisetra ara-moraly, ara-ekonomika, ara-batana, ara-nofo, herisetra amin’ny fomba fiteny, sns. Ndao isika tsy hanaiky ny herisetra ka hiara-hiady amin’izany. Ho vehivavy miavotse lavitry ny herisetra. Hametraka fiarahamonina hanjakan’ny filaminana miainga isan-tokantrano.
|
FAMPANANAN’ ASA HO AN’NY TANORA
Kaominina 4 tato anatin'ny Distrikan' Ambatondrazaka no notsidihin-dRamatoa Vice- Ministre misahana ny tanora omaly. Ny tao amin'ny Kaominina Ambandrika, Kaominina Ambohidava fokonkany Andranomena, Kaominina Ambatosoratra, ary Kaominina Ambohitsilaozana. Nihaino ny...