Notontosaina anio Talata faha-28 desambra teny amin’ny Lycée privée Masca teny Ambatofotsy Sabotsy Namehana, ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja savate boxe française.
Kandidà 2 no nifaninana tamin’izany ka
Atoa NAKOLO Ralison Aimé no voafidy hitantana ity federasiaona ity mandritra ny 4 taona.
Ligy 8 tamin’ireo 11 nanatrika ny fifidianana no nifidy azy tamin’izany raha toa ka 3 kosa no azon’i Atoa Parfait Andriantsiory RAKOTONINDRIANA mpifaninana taminy.
Nanatrika izany fifidianana izany, Rtoa RAKOTOZAFY Rosa, Tale jeneralin’ny fanatanjatahantena sy Atoa ANDRITERAKANDRIANA Aina, Talé misahana ny Fanohanana ny Fanatanjahantena Avo Lenta (DASHN), eto anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny mpiara miasa aminy.