FEDERATION MALAGASY D’ESCRIME: FIFIDIANANA FILOHA

Notontosaina anio Zoma faha-7 Janoary 2022 teny amin’ny foiben’ny komity olaimpika Malagasy ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja escrime

Voafidy hitantanana indray ity federasiaona ity mandritra ny 4 taona ny filoha teo aloha RAKOTONDRAMANANA Harinelina Mickael, izay kandidà tokana nilatsaka tamin’izany fifidianana izany.

Ligy 3 tamin’ireo 3 izay tonga nanatrika no nifidy azy tamin’izany.

Nanatrika izany fifidianana izany, Atoa ANDRIANAMELANTSOA Finaritra, lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny Fitantanana sy Fanohanana ny Fanatanjahantena Avo Lenta (DASHN), eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny mpiara miasa aminy ary Atoa RAVALISON Jean Aimé solon-tenan’ny komity olaimpika malagasy (COM).