Nanatontosa fitsidihana tany Mahanoro ny faha-14 janoary lasa teo ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Atoa MAMOD’ALI Hawel sy ireo delegasionina niaraka taminy.
Hita nandritra izany fitsidihana izany fa mandroso tsara ny asa. 99 isan-jato ny kianja manarapenitra dia efa vita avokoa, raha andalam-panamboarana kosa ny kianja mitafo izay samy mahazaka mpijery 1000 isa.
Tsy ho latsa-danja amin’ireo izay fotodrafitrasa natsangana any amin’ny faritra hafa ireto eto Mahanoro ireto.
Ny fitsidihana toy izao dia ahafahana manao tomban’ezaka ny fanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny asa tokony mbola hovitaina ho fanatanterahana ny velirano mifandraika amin’ny fampandrosoana ny fanatanjahantena.