Mampiantrano ny fivoriana iraisan’ny komity iraisam-pirenena momba ny lalaon’ny nosy eto amin’ny ranomasim-be Indiana na ny CIJ isika eto Madagasikara mandritra ny 2 andro ny 18, 19 janoary izao.
Tonga nanokatra izany fivoriana izany tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hotel Novotel Alarobia, Atoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ireo delegasionina niaraka taminy io maraina io.
Firenena 7 no mandray anjara amin’izany dia Maurice, Maldives, Mayotte, Comores, La Réunion, Seychelles ary Madagasikara.
Manatrika ihany koa ny CJSOI sy ORAD Océan Indien.