JEUX DES ÎLES 2023: TARANJA 23 NO HIFANINANANA

Fantatra ankehitriny ireo taranjam-panatanjahantena hifaninanana mandritra ny lalaon’ny nosy faha-11 izay hatao eto Madagasikara amin’ny taona 2023.

Taranja 23 no voafidy amin’izany.

– Athlétisme/Paralympique Athletisme (Lehilahy sy Vehivavy)

– Badminton (L/V)

– Basket-ball 3×3 sy 5×5 (L/V)

– Boxe (L/V)

– Cyclisme (lehilahy)

– Équitation (L/V)

– Football (L/V) sy Beach Soccer (L)

– Haltérophilie (L/V)

– Handball (L/V)

– Judo (L/V)

– Karaté (L/V)

– Kick-boxing (L/V)

– Lutte (L/V)

– Natation/Paralympique Natation (L/V)

– Pétanque (L/V)

– Rugby à 7 sy rugby à 15 (L/V)

– Taekwondo (L/V)

– Tir à l’arc (L/V)

– Lawn tennis (L/V)

– Tennis de table (L/V)

– Voile (L/V)

– Volley-ball (L/V) sy beach-volley (L/V)

– Surf (L).

Misy ireo taranja vaovao izay nampidirina mandritra ny lalaon’ny nosy 2023, dia ny Tir à l’arc, Beach Soccer, Equitation, Basket-ball 3×3, Kick-boxing ary ny Surf.

Marihina fa ny fifidianana ny taranja iray dia miankina amin’ny fivoriana izay atao izay itondrana ireo tolo-kevitra avy amin’ny firenena mpandray anjara.

Ny maha voatazona ilay taranja indray @ farany dia miankina amin’ny isan’ny firenena hifaninana izay tokony mihoatra ny 3.