Ny faha-24 Janoary 2022 lasa teo dia tonga nitondra fanomezana ho an’ireo tra-boina vokatry ny haratsian’ny toetr’andro izay misy eto amintsika ny mpiara-miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay notarihin’Atoa Minisitra MAMOD’ALI Hawel.
Teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano no nanatanterahana izany izay anisan’ny toerana nametrahana ireo tra-boina.
Izany no natao dia mba ho famaliana ny antson’ny Filoham-pirenena hifanampiana amin’ny ezaka rehetra efa ataon’ny fitondram-panjakana.
Tena ilaina ny mifanome tanana amin’izao vanim-potoana sarotra diavin’ny mpiray tanindrazana izao.