Misolo tena antsika Malagasy any amin’ny Jeux Olympiques d’hiver izay atao any Pékin, i Mialitiana Clerc sy Mathieu Neumuller.
Taranja Ski Alpin no handraisan’izy mianadahy anjara mandritra ity fifaninanana iraisam-pirenena ity.
Mankahery azy ireo ary manohana hatrany, ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan’ny Minisitra, Atoa MAMOD’ALI Hawel.
Misolotena azy mandritra ity lalao ity, Rtoa RAKOTOZAFY Rosa, Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena eo anivon’ny Minisitera.