Tonga nanampy ireo faritra nandalovan’ny rivodoza Batsirai ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel Mamod’Ali sy ny ekipany, indrindra hijery manokana ireo mpiara-miasa eny @ sampan-draharahan’ny MJS eny an-toerana.
Eto IFANADIANA izay Faritra VATOVAVY no nisantarana izany izay anisan’ny tena voa mafy: tranom-panjakana, tsena, fiangonana, sekoly sy ireo maro samihafa. Ary mbola tsy misy Jiro sy Rano hatramin’izao.
Avy hatrany dia nanolotra vary ho an’ny mpiara-miasa ao @ MJS sy ireo traboina. Nanome « Lampes solaires » ihany koa ho fanampiana azy ireo mandritry ny jiro tapaka. Notolorana baolina FOOT sy BASKET maromaro ihany koa ireo tanora ho fankaherezana azy ireo, ary nanentana azy handray andraikitra sy hanampy ireo sahirana.
Mbola hitohy hatrany Mananjary, Manakara, ary Vohipeno ny dia.