Tontosa teo anivon’ny Fitaleavam-paritra Menabe ny fifantenana ireo taranja atripanofanana (modules) ho entina mampianatra eo amin’ny sekolin’ny fanatanjahantena fototra, niarahan’ny ANS (Académie Nationale des Sports), ny CNSE (Centre National des Sports Etudes) sy ireo teknisiana teo anivon’ny DRJS Menabe.
Ity tetikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny paikady fanatanterahana ny EPQ na « Education Physique de Qualité », mikendry ny fanomanana ny ankizy latsaky ny 12 taona, eny amin’ny fanabeazana fototra.
Ireto avy ireo taranja sy atripanofanana (modules pratiques) amin’izany: Baolina kitra 4 – Atletisma 4 – Basikety 4 – Jeux d’opposition 3.