Tao Manakara sy Vohipeno no namaranan’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD’ALI ny diany tamin’ny Faritra VATOVAVY sy FITOVINANY.
Nijery ireo mpiara-miasa traboina, ireo fotodrafitrasa simba ary nihaona tamin’ireo Tanora ny tenany.
Ho hafainganina ny fanamboarana ireo Kianja manarapenitra ao Manakara sy Vohipeno.
Notolorana vary 1 gony isaky ny mpiara-miasa ary nomena baolina foot sy basket ny district IKONGO, MANAKARA ary VOHIPENO.
Nahazo fanampiana manokana t@ Minisitra ireo Jeunes Pairs Éducateurs izay tanora mazoto sy mandray andraikitra eo an-tanàna.
Isaorana ny governora, ireo solombavambahoaka sy Ben’ny Tanàna ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny teny an-toerana tamin’ny fandraisana.