Nandalo tao @ faritra Ihorombe ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD’ALI.
Isaorana ireo tompon’andraikitra maro samihafa teo an-toerana tamin’ny fandraisana.
Nijery ireo fotodrafitrasa izy ary nanamafy ny tokony ahavitana ireo stade sy gymnase arak’izay haingana.
Nisy ny fivoriana niaraka tamin’ny CRCO Ihorombe nahafahana nankahery azy ireo amin’ny mety mbola handalovan’ny cyclone Emnati.
Notolorana Baolina sy Maillots ny DRJS, ireo distrika ary ireo mpitandro filaminana izay tia fanatanjahantena.